Ny mpanitsy, na mpanitsy zitina dia olik'aratra mamadika ny zitina miherina ho zitina mikararana. Ny fiantsoana izany zavatra izany dia fanitsian-jitina (amin'ny teny anglisy : rectification). Ny fitaovana ilaina amin'izany dia roalahiny ary mpampita tapany vita silisiôma.

Ahitana mpanitsy avokoa ireo zavatra fampiasa mandavanandro toa ny radiô, ary ny solosaina.

Ny fitaovana mamadika zitina mikararana ho zitina miherina dia antsoina hoe mpamadika (amin'ny teny anglisy inverter).

Olika mpanitsy hanova

Herina tokana hanova

Ny herina tokana dia mampita ny tapany miabon'ny zitina amin'ny alalan'ny fampiasana roalahiny. Ny roalahiny no mahatonga ny fampitan'ny zitina amin'io karazana olika io.

 
Mpanitsy herina tokana

Ny zitina amin'ny fivoahan'ny mpanitsy zitina tsy asiana vesatra dia :

 
 

Herina roa : mpanitsin'i Graëtz hanova

Ny herina roa dia mampita ny sanda miabon'ny zitina ary mamadika ny sandan-jitina miiba ho sandan-jitina miabo. Ny angôvo azo avy amin'ny fanitsiana herina roa dia lehibe kokoa nohon'ny fanitsiana herina tokana.

Roalahiny roa no ilaina hanaovana ilay fanitsiana ary aprtraka araka ny sarin'olika eo ambany

 
Mpanitsin'i Graëtz na mpanitsy herina roa

Ny raikipohy mifehy ny zitina elanelana ary ny zitina efikasy :