Mpanao (fitsipiteny)

Ao amin'ny haiteny sy ny fitsipiteny, ny mpanao dia anjara asa ara-kevitry ny teny (na andian-teny) manondro ny olona na zavatra manatanteraka ny asa ambaran'ny matoanteny ao amin'ny fehezanteny na fehezankevitra. Tsy afangaro amin'ny lazaina ny mpanao, satria ny lazaina dia mety ho ny olona na zavatra iharan'ny asa, na tompon-toetra, sns; ny mpanao koa dia tsy voatery hisahana ny anjara asa lazaina fa mety ho fameno, ka atao hoe fameno mpanao.

Ohatra, ao amin'ny fehezanteny hoe Mihinan-kena ny alika sy Hanin'ny alika ny hena dia misahana anjara asa ara-keviteny mpanao ny teny hoe alika, nefa mitana ny anjara asa lazaina izy ao amin'ny fehezanteny voalohany fa fameno kosa ao amin'ny fehezanteny faharoa. Ao amin'ny fehezanteny hoe Maty ny alika dia lazaina ny teny hoe alika fa tsy mpanao.

Jereo koa hanova