Ny monka na moanina dia lehilahy na vehivavy voafatotry ny voady ara-pivavahana sady manaraka fiainana ara-panahy mitokana samirery na anatin'ny fianakaviambe iray.

Moanina katôlika

Ahitana monka na moanina ny fiangonana katôlika, ny fiangonana ôrtôdôksa, ny jainisma, ny bodisma, ny sintôisma, ny taôisma ary ny hindoisma. Taorian'ny fitsipahana azy tamin'ny refôrmasiona dia nahatsapa indray ny Prôtestanta (loterana sy anglikana ary ny hafa koa) tamin'ny antsasany faharoa amin'ny taonjato faha-20 fa vontoatiny lehibe ao amin'ny kristianisma ny fiainan'ny monka.

Moanina bodista any Tailandy

Ny hoe monka dia fanagasiana ny teny anglisy hoe monk, fa ny hoe moanina kosa dia fanagasiana ny teny frantsay hoe moine. Ireo teny roa ireo dia avy amin'ny teny latina hoe monachus, izay avy amin'ny teny grika hoe monakhos, de monos izay midika hoe "tokana" na "manirery". Atao hoe monastera ny toeram-ponean'ny moanina.