Ny menarana varahina dia sari-menarana vita amin'ny metaly voasokitra izay nataon'i Mosesy na Moizy araka ny nandidian'Andriamanitra, mba hahasitrana ny ferin'ireo nokaikerin'ny menarana tany an-tany efitra. Itoeran'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fahefany izany menarana varahina izany ka nahasitrana izay mijery azy. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe נחשתן / neḥushtān izany, izay midika hoe "varahina".

Ny menarana varahina, nataon'i James Tissot, taona 1896–1902

Hita ao amin'ny Bokin'ny Nomery (Nom. 21.4-9) sy ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 18.4) izany tantara izany ary ampahatsiahivina ao amin'ny Evanjelin'i Joany (Joa. 3.14-16) amin'ny fampitahana azy amin'i Jesosy nihantona teo amin'ny hazofijaliana.

Ny menarana varahina araka ny Baiboly hanova

Ao amin'ny Testamenta Taloha hanova

Ny menarana varahina tamin'ny andron'i Mosesy

"4 Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana. 5 Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony. 6 Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely. 7 Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy. 8 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantòny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany. 9 Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona." (Nom. 21.4-9)

Nopotehin'i.Hezekia ny menarana varahina nataon'i Mosesy.

"Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana." (2Mpanj. 18.4)

Ao amin'ny Testamenta Vaovao hanova

Ny menarana varahina ampitahaina amin'ny Jesosy:

"14 Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, 15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. 16 Fa toy izao izay rehetra mino Azy no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very , fa hanana fiainana mandrakizay." (Jao. 3.14-16)