Ny masorah na masora dia ny lovantsofina hebreo momba ny endrika sy ny fanononana marina ny lahatsoratry ny Baiboly hebreo (na Tanakh) sy ireo fanamarihana maro samy hafa antsisi-takila samihafa. Izany asa izany dia niandraiketan'ireo manampahaizana jiosy atao hoe Masoreta izay heverin'ny mpikaroka fa nanao izany asa izany teo anelanelan'ny taonjato faha-2 sy faha-8 taor. J.K. ka ny farany indrindra dia natao tamin'ny taona 1425.

Avy amin'ny teny hebreo hoe מסורה / masorah, izay midika hoe "lovantsofina" ny teny nohagasina hoe masora na masorah.

Izany asan'ny Masoreta izany dia fanampiana mari-tsoratra (fa tsy zana-tsoratra) atao hoe nikkud enti-maneho ny zanapeo, satria manko tsy misy zanatsoratra ny abidy hebreo sady tsy misy mari-piatoana (faingo, teboka, sns) hahafantarana ny tena fanononana sy ny lantompeon'ny vakiteny tokony ho izy. Misy koa ny fanamarihana sy ny fanazavana momba ny lahatsoratra izay atovan'ireo Masoreta ny lahatsoratry ny Baiboly eny antsisin'ny takila, toraka izany koa ny fanoloana soratra hahatsara kokoa ny feo ary ny fanazavana tsotsotra ny lahatsoratra. Ny fanamarihana madinidinika dia nosoratana amin'ny teny hebreo na tamin'ny teny arameana. Atao hoe "masora kely" ireo fanamarihana antsisi-takila fa "masora lehibe" kosa ireo fanamarihana eny ambony takila na eny ambaniny.