I Mahajamba dia onin' i Madagasikara ao amin' ny faritra Sofia, ao amin' ny faritanin' i Mahajanga, izay mivarina mankany amin' ny helodranon' i Mahajamna ao amin' ny Ranomasimbe Indiana. Ao amin' ny ilany ankavian' i Mahajamba ny valan-javaboarin' Ankarafantsika. Renirano samy hafa i Kamoro sy i Mahajamba nefa mifanakaiky amin' ny faritra sasany andalovany ka mahatonga ny ranon' i Kamoro hisampana mankany amin' ny ranon' i Mahajamba izay tsy mitovy toeram-pivarinana aminy any an-dranomasina. Hodidinin' ala honko i Mahajamba rehefa manakaiky ny ranomasina.

Jereo koa hanova