I Môldavia dia firenena ao Eorôpa Atsinanana, tsy manana morontsiraka. Ny renivohiny dia i Chișinău. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 33 846 km2 ny velarany ary miisa 3 559 500 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr'ora dia +2.

Sainan' i Môldavia
Sarin-tanin' i Môldavia

Tsy dia avo ny vohon-tanin' i Môldavia. Lemaka midadasika no mamorona ny ampahany be amin’ ny taniny. I Dniestr sy i Prout no ony lehibe any.

Ny ankabetsahan’ ny mponina ao Môldavia (66 %) dia Môldaviana miteny romaniana izay manaraka, amin’ ny ampahany be, ny kristianisma ôrtôdôksa. Ahitana Okrainiana sy Rosiana koa ny ao (25 %). Ny ankamaroan’ ny mponina any Môldavia dia monina any amin’ ny tontolo ambanivohitra. Ny fambolena sy ny fiompiana no sehatr’ asa sahanin’ ny ankamaroan’ ny mponina, ka ny voly paraky sy voaloboka no be mpanao.

Repoblika sôsialista sôvietika taloha i Môldavia (tao amin’ ny Firaisana Sôvietika taloha) izay nahaeo fahaleovan-tena tamin’ ny taona 1991. Nikambana tao amin' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena izy nefa niala tamin' ny taona 2023.

Jereo koa hanova

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.