Môaba (fanjakana)

I Môaba dia firenena iray tao Atsinanana Akaiky tamin'ny Andro Taloha izay hita teo atsinanan'ny Ranomasina Maty, ao amin'ny atao ankehitriny hoe Jordania. Vahoaka nifanakaiky amin'ny Hebreo ny Moabita. Lasa mpanompon'i Israely tamin'ny andron'i Davida sy i Solomona tamin'ny taonjato faha-11 sy faha-10 tal. J.K. Araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly dia nanorina fitoerana masina ho an'i Kemosy andriamanitry ny Moabita tao Jersosalema i Solomona.

Sarintanin'ny Atsinanana Akaiky. Miloko volomparasy ny Fanjakan'i Moaba.

Rahefa nahazo fahaleovan-tena indray i Moaba dia resin'ny mpanjakan'i Israely Omry tamin'ny taonjato faha-9. Lasa mpanompon'ny Asiriana ny Moabita, sahala amin'ireo fanjakana manakaiky ny Fanjakan'i Jodà, tamin'ny taonjato faha-6 tal. J.K. Taorian'io dia nifangaro tamin'ireo vahoakan'ny firenena hafa ny Moabita ka tsy niavaka intsony.

Araka ny Bokin'i Rota sy ny Filazantsaran'i Matio dia vehivavy moabita i Rota razamben'ny mpaniaka Davida sy i Jesosy.

Jereo koa hanova