Literatiora apôkaliptika

Literatiora apôkaliptika na soratra apôkaliptika no ilazana ny boky sy karazan-dahatsoratra mirakitra faminaniana ara-pahitana izay ataon' ny mpanoratra azy fa avy amin' Andriamanitra sady miresaka ny amin' ny maha antomotra ny hiafaran' izao rehetra izao sy ny hiavian' ny tontolo vaovao tonga lafatra. Izany literatiora izany dia nandroso tao amin' ny kolontsaina jiosy (na jody) taorian' ny fahababoana ary nankafizin' ny Kristiana voalohany koa. Ny boky fantatra indrindra dia ny Apôkalipsin' i Joany ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana, nefa ahitana lahatsoratra apôkaliptika koa ny ao amin' ny boky sasany ao amin' ny Testamenta Taloha sy ny boky hafa ao amin' ny Testamenta Vaovao. Vitsy ny soratra apôkaliptika voaray ho kanôna (filamatry ny finoana) ao amin' ny Baboly. Ny maro amin' ny soratra apôkaliptika dia apôkrifa.

Ny soratra apôkaliptika kanônika hanova

Ny soratra apôkaliptika ao amin' ny Testamenta Taloha hanova

Efa misy soratra apôkaliptika ny ao amin' ny Testamenta Taloha nefa amin' ny ankapobeny dia miditra anatin' ireo faminaniana mahazatra izany. Ahitana andalana apôkaliptika ny ao amin' ny bokim-paminaniana sahala amin' ny Bokin' i Isaia, ny Bokin' i Jeremia, ny Bokin' i Ezekiela, ny Bokin' i Jôela ary ny Bokin' i Zakaria. Ny Bokin' i Daniela dia efa apôkaliptika feno[1].

Ireto avy ireo andalana apôkaliptika ao amin' ny Testamenta Taloha:

  • Isaia 24–27 (atao hoe "Apôkalipsy lehibe"); 34–35 (atao hoe "Apôkalipsy kely");
  • Jeremia 33.14-26;
  • Ezekiela 38–39;
  • Jôela 3.9-17;
  • Zakaria 12–14;

Ny soratra apôkaliptika ao amin' ny Testamenta Vaovao hanova

Tsy ny Apôkalipsan' i Joany (na Jaona) ihany no boky apôkaliptika ao amin' ny Testamenta Vaovao fa na ireo Filazantsara dia ahitana andalana apôkaliptika na eskatôlôjika. Ireto ireo andalana apôkaliptika ao amin' ny Testamenta Vaovao ankoatran' ny ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany, indrindra ny ao amin' ny Evanjelin' i Matio sy ny Evanjelin' i Marka ary ny Epistily faharoa ho an' ny Tesaloniana:

Ny boky apôkaliptika apôkrifa hanova

Ny ankabeazan' ny soratra apôkaliptika apôkrifa (tsy voaray ho kanôna) dia mitondra ny anarana hoe "Apôkalipsy" na "Apôkalipsa". Misy karazany roa izy ireo, dia ireo nosoratana teo anelanelan' ny nanoratana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao sy ireo nosoratana tamin' ny fotoanan' ny Testamenta Vaovao na taorian' io. Ny Prôtestanta dia miantso an' ireo boky ireo hoe "pseodepigrafa".

Apôkalipsy apôkrifa talohan' ny Testamenta Vaovao hanova

Ireto avy ireo Apôkalipsy apôkrifa talohan' ny Testamenta Vaovao:

Ny Bokin' i Henôka (na Henôka etiôpiana) dia apôkrifa na pseodepigrafa ho an' ny ankamaroan' ny fiangonana fa deoterôkanônika izy ho an' ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo etiôpiana. Torak' izany koa ny Bokin' ny Jobily.

Apôkalipsy apôkrifa tamin' ny andron' ny Testamenta Vaovao na taoriany hanova

Ireto avy ireo Apôkalipsy tamin' ny fotoan' ny Testamenta Vaovao na taoriany:

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Charles, Robert Henry (1911). "Apocalyptic Literature". In Chisholm, Hugh. Encyclopædia Britannica. 2 (11th ed.). Cambridge University Press. pp. 169–175.