I Ktesifôna dia tanàna partiana tranainy, tao Mesopotamia, izay hita eo anoloan' i Seleokia any Tigrisy, eo amin' ny ilany ankavian' ny ony Tigrisy, 30 km ao atsimon' i Bagdad ao Iràka.

Ny andohalambo ao Ktesifôna, sary nataon' ny kapiteny Hart, tamin' ny taona 1824.

Mirefy 30 km2 ny valaran' ilay tanàna. Ny sisam-paharavana mbola hita dia ny andohalambo lehibe Taq-e Kisra (persàna: طاق کسری / Tāq-i Kisrā) ao atsimo-atsinanan' ny tanànan' i Salman Pak ankehitriny.

Tanàna fonenan' ny mpanjaka partiana i Ktesifôna amin' ny ririnina, avy eo lasa renivohitry ny Empira Partiana. Rehafa noravana i Seleokia tamin' ny taona 165 taor. J.K. dia lasa tanàna matanjaka tao Babilônia i Ktesifôna. Rehefa niongana tamin' ny fitondrana ny fianakaviana partiana arsakida tamin' ny taona 226 taor. J.K. dia lasa renivohitr' ireo mpanjaka persiana sasanida i Ktesifôna. Nataon' ny Arabo fahirano i Ktesifôna tamin' ny taona 637 taor. J.K. ka lasa tanàna haolo tamin' ny nanaovan' ny kalifa abasida an' i Bagdad ho renivohitra.