I Kserksesy II dia mpanjakan' ny Persiana akemenida nandritra ny 45 andro. Zanak' i Artakserksesy I sy i Damaspia izy. Maty novonoin' i Sôgdianôsy havany ihany izy tamin' ny taona 424 tal. J.K. Atao hoe Khshayaŗshā izy amin' ny teny persiana. Izy irery no zanaka ara-dalanan' i Artakserksesy I sy ny andriambavy Damaspia. Nanompo ny mpanjaka amin' ny maha andriandahy mpandova azy izy.

Niakatra teo amin' ny fitondrana i Kserksesy II nefa ny zana-drainy roa lahy tsy iray reny aminy dia samy niady ny fitondrana koa, ka ny voalohany dia i Sôgdianôsy, zanaky ny vadikelin' i Kserksesy atao hoe Alôgina (na Alôgona), izay namono an' i Kserksesy II sady nitondra nandritra ny enim-bolana sy sany, fa ny faharoa dia i Dariôsy II. Nisy namono i Sôgdianôsy volana vitsy taty aorian' ny nahafatesan' i Kserksesy I ka i Dariôsy II amin' izay no nitondra ny Empira persiana.

Jereo koa hanova

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.