Kroazada fahefatra

Ny kroazada fahefatra dia fanafihana miaramila mifanesy nataon' ny Kristiana, mba handroahana ny Mozilmana izay nibodo ny Tany Masina, natomboka tamin' ny taona 1202 izay niainga tao amin' ny tanànan' i Venezia any Italia (frantsay: Venise) ka nifarana tamin' ny taona 1204. Nivaona ny fanatanterahana ity kroazada ity ka tsy tratra ny tanjona fa nivadika fandrobàn' ny mpisalotra vokovoko an' i Kônstantinôpla, izay tanàna kristiana, sy fanorenana ny Empira latinan' i Kônstantinôpla (1204-1261).

Fidiran' ny tafiky ny kroazada ao Kônstantinôpla

Fanentanana nataon' ny papa Inôkento III hanova

 
Ny papa Inokento III
 
Toriteny fanentanana nataon' i Enrico Dandolo ho amin' ny kroazada

Ny papa Inôkentio III no nanentana ny hisian' ny kroazada fahefatra izay raikitra nanomboka tamin’ ny taona 1198, dia voamariky ny tsy fifanarahana teo amin’ ny papa sy ny mpisalotra vokovoko. Mba hahatongavana any Ejipta izay lasa ivon’ ny herin’ ny fivavahana silamo dia nanao fifanarahana ny Kristiana ny amin’ ny hitaterana ny tafika miaraka amin’ i Venezia (Venise), nefa tsy nahazoana alalana amin’ ny papa izany, ka nanodina ny tanjon’ ny kroazada amin’ ny tombontsoany. Ny lehiben’ ny kroazada dia nifanaraka amin’ ny Venitiana sy i Aleksis V Doukas (grika: Aleksis V Doukas o Mourtzouflos; frantsay: Alexis Ange) (izay nikendry ny haka ny seza fiandrianana bizantina) ny amin’ ny paikady hanafihana an’ i Kônstantinôpla.

Fahazoana an' i Kônstantinôpla hanova

 
Fanaovana fahirano an' i Kônstantinôpla

Ny mpitaingin-tsoavaly mitafy vokovoko dia nahazo an’ i Kônstantinôpla tamin’ ny 17 Jolay 1203 sady nanolotra an’ i Isaac Ange rain’ i Aleksis ny maha emperora azy. Noho ny revolisiona nahafahan’ i Aleksis Doukas haka ny fahefana, dia nanapa-kevitra ny mpisalora vokovoko ny hanafika haka an’ i Kônstantinôpla izay norobainy tamin’ ny 12 sy 13 Avrily 1204. Na dia tsy nandray anjara tamin’ ny fiarovana ny Tany Masina aza izy ireo dia nanorina ny Empira Latina any Atsinanana izay rava tamin’ ny taona 1261 tamin’ ny fiakaran’ ny emprora bizantina Mikhaêl VIII Palaiologos (grika: Μιχαήλ Η΄ Παλαιολόγος; frantsay: Michel VIII Paléologue).

Jereo koa hanova