Kristianisma nikeana

Ny kristianisma nikeana na kristianisma niseana dia ny firehan' ny fivavahana kristiana taloha nipoitra avy tamin' ny kônsily voalohany tao Nikea na Nisea.

Ny kristianisma nikeana dia trinitariana ka mamaritra ny fampianarany amin' ny fampifanoherana izany amin' ny arianisma na ny kristianisma hômeana. Nanjary fivavaham-panjakana ny kristianisma nikeana tamin' ny taona 380 tao amin' ny Empira Rômana (izany hoe taonjato iray taorian' i Armenia, fanjakana voalohany nandray ny kristianisma ho fivavaham-panjakana) rehefa namoaka lalàna nanafoana ny fanompoam-pivavahan' ny mpanompo sampy i Teôdôsiosy I sady nandrara ny fihetsika sy ny fanaon' ny tsy kristiana teo amin' ny Empira.

Ny fifanoherana nisy teo amin' ireo firehana roa ireo dia naharitra taonjato maro, ka niseho tamin' ny alalan' ny fifanoherana ara-pôlitika izany matetika: ny hômeisma dia noraisin' ny ankamaroan' ny mpitondra ny fanjakana barbariana taorian' ny toritenin' i Volfila (Wulfila) fa ny Kristiana avy amin' ny tontolo tsy barbariana, indrindra ny olona ambony rômana dia nandray ny kristianisma nikeana. Nihanahazo vahana ny kristianisma nikeana noho ny asan' ireo eveka nikeana nanana fahefana matanjaka izay matetika avy amin' ny sarangan' ny olona ambony ao amin' ny Loholom-panjakana, izay nanaraka ny fampianarana nofaritan' ny kônsily tao Nikea tamin' ny taona 325.

Kônsily hanova

Kônsily voalohany tao Nikea hanova

Ny Kônsily voalohany tao Nikea dia natao tamin' ny taona 325 ka ny emperora Kônstantino I no nampiantso azy, mba handraiketana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy ka hanoherana ny fampianaran' i Ariosy (arianisma) izay noheverina ho fampianaran-diso tamin' izany fotoana izany. Notapahina tao amin' io kônsily io fa mitovy fomba (homoousia) amin' ny Ray ny Zanaka amin' ny maha Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka. Navoaka ny Fanekem-pinoana nikeana.

Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôly hanova

Ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôly dia nataon' ny Fiangonana kristiana nanamafisana ny zavatra tapaka tao amin' ny Kôsilin' i Nikea izay nanalavana ny Fanekem-pinoana nikeana ka lasa Fanekem-pinoan' i Nikea sy Kônstantinôpôly. Ny emperora Teôdôsio I no mampanao azy tamin' izany. Io kônsily io dia nanameloka ireo izay nanda ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina. Nohamafisiny ny maha Andriamanitra an' i Kristy sady nambarany fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina. Tsy nandray anjara tamin' io ny Fiangonana latina.

Fanekem-pinoana nikeana hanova

Ny Fanekem-pinoana nikeana dia tinapaka nandritra ny kônsily natao tao amin' ny tananan' i Nikea tamin' ny taona 325 izay notovanana nandritra ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôly tamin' ny taona 381. Mizara fehezan-kevitra telo izy dia ny finoana an' Andriamanitra Ray sy ny finoana an' i Jesoa Kristy ary ny finoana ny Fanahy Masina ary taty aoriana dia natsofoka ny amin' ny finoana ny Fiangonana Masina. Manamafy ny maha Zanak' Andriamanitra sy ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy io fanekem-pinoana io. Hamafisiny koa ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina nefa tsy Andriamanitra maro izany fa Andriamanitra tokana. Nisy fiovany izy taty aoriana tamin' ny nampidiran' ny Fiangonana Tandrefana ny hevitra hoe "nivoaka tamin' ny Zanaka koa ny Fanahy Masina" izay nomena ny anarana latina hoe Filioque (grika: καὶ τοῦ Υἱοῦ / kaὶ toū Uioū).

Mizara fehezan-kevitra telo izy, dia

Izany dia entina hamaritra ny finoana ny maha Telo Izay Iray na Trinite an' Andriamanitra.