Ny Koba na Bakoba dia vahoaka miteny banto ao Afrika Afovoany monina eo anelanelan' ny renirano Kasai sy ny renirano Sankuru ao amin' ny faritra afovoan' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (RDK). Mizarazara ho fanjakana madinika izy ireo ary malaza amin' ny fahaizany manao sary vongana sy manenona lamba. Miisa 250 000 any ho any izy ireo anehitriny.

Olobe bakoba