Kilasin' anarana (fitsipiteny)

(tonga teto avy amin'ny Kilasin'anarana (fitsipiteny))

Ny kilasin' anarana dia sokajin' anarana manokana fehezin' ny fitsipiteny ao amin' ny fiteny iray sady manana ny marika ahafantarana azy manokana. Akoatra ny fanasokajiana ara-pitsipiteny ny anarana ho kandahy na kambavy, ho anaran' ny manana aina na tsy manana aina, dia misy koa fanasokajina ara-pitsipiteny izay mampiavaka fiteny maromaro. Ny anarana ao amin' ny fiteny misy kilasin' anarana dia mety ho sokajina araka ny sasany amin' ireto toetra tanisaina manaraka ireto:

  • manana aina vs tsy manana aina (ohatra: he-she vs it, amin' ny teny anglisy), ahitana ny toy izany ny fiteny ôjiboe;
  • misaina vs tsy misaina, ahitana ny toy izany ny fiteny tamily;
  • lahy vs tsy lahy (ohatra: il vs elle, amin' ny teny frantsay):
  • olona vs tsy olona (ohatra: who vs which, amin' ny teny anglisy)
  • mafy vs malemy
  • azo isaina vs tsy azo isaina (ohatra: many vs much amin' ny teny anglisy)
  • sns

Ahitana fampiasana kilasin' anarana, ohatra, ny vondrom-piteny algônkiana, ny vondrom-piteny atapaskana, ny vondrom-pitenin' ny tompon-tany aostraliana, ny vondrom-piteny kaokaziana, ny vondrom-piteny nizerô-kôngôley.

Jereo koa hanova