I Khuzestan na Khuzistan (amin' ny teny persana: خوزستان ) dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Any atsimo-andrefana amin' ilay firenena no misy azy, eo amin' ny sisin-tanin' i Iràka sy ny Hoala Persika. Ny renivohiny dia i Ahvaz ary mirefy 62 238 km2 ny velarany. Ny tanàna lehibe hafa ao amin' io faritany io dia i Behbahan, i Abadan, i Andimeshk, i Khorramshahr, i Bandar-e Emam, i Dezful, i Shushtar, i Omidiyeh, i Izeh, i Bagh-e Malek, i Bandar-e Mahshahr, i , i Ramhormoz, i Shadegan, i Shush, i Masjed Soleiman, i Aghajari, ny nosy Minu ary i Hoveyzeh.

Ny faritanin' i Khuzestan

Fiavian' ilay anarana hanova

Ny anarana hoe Khuzestan, izay midika hoe “Tanin' ny Khuzi”, dia manondro ny anaran'  ny mponina voalohany tao amin' ilay faritany, dia ny Kozy (Khuzi). Nisampana avy amin' ny teny elamita hoe Ūvja io anarana io.

Nantsoina hoe Arabistan na Arabestan ihany koa ilay faritany nandritra ny vanim-potoana sasany taorian' ny taonjato faha-15, indrindra tamin' ny fitondran' i Tahmasp I (shah faharoa tamin' ny tarana-mpanjaka Safavida na Sefevida) tamin' ny taonjato faha-16, taorian' i Muhammad ibn Falah, Arabo nitarika ny Msha'. sha'iya, nanomboka fanafihana an' i Khuzestan tamin' ny taona 1440, ka niteraka fitomboan’ ny mponina manam-piaviana arabo tao Khuzestan. Nosoloin' i Reza Pahlavi ny anaran' ilay faritany tamin' ny taona 1923.

Jeôgrafia hanova

Ny faritanin' i Khuzestan dia azo zaraina ho faritra roa: ny lemaka sy ny faritra be tendrombohitra. Any atsimo sy andrefana amin' ilay faritany no misy ny lemaka maro. Io faritra io dia tondrahan’ ny renirano Karun, Karkheh ary Jarahi. Any avaratra sy atsinanana amin' ilay faritany no misy ny faritra maro be tendrombohitra, ary ao no ahitana ny tgapany atsimo amin' ireo tendrombohitra Zagros. I Karun, izay renirano lava indrindra any Iràna (850 km), dia manampy amin' ny fanondrahana sy ny fahalonahan’ ny tany alohan' ny hivarinany ao amin' ny Hoala Persika. Mafana sy mando amin' ny ankapobeny ny toetanin' i Khuzestan amin' ny fahavaratra, indrindra any atsimo, fa maina sy malefaka kokoa ny ririnina.