Kapila (jeômetria)

Ny kapila dia endrika ara-jeômetria ao amin' ny lemaka izay foronin' ny teboka hita amin' ny elanelana mitovy amin' ny na kely kokoa noho ny sanda R omena ny teboka iray O atao hoe ivo, izany hoe ny faritra ao amin' ny lemaka iray feran' ny faribolana. Tanan' ny kapila ny kantsana R. Ny biloka mamaritra ny kapila dia faribolana manana ivo O sy tana R. Mihidy ny kapila raha ao anatiny ny biloka mamaritra azy, fa mivoha kosa izy raha tsy anisany izany biloka izany. Amin' ny fiteny andavanandro, atao hoe kapila ny zavatra fisaka miendrika faribolana, izay tsy inona fa varingarim-paribolana manana hatevina kely dia kely.

  • Savaivin' ny faribolan' ny kapila: D = 2R.
  • Manodidina ny faribolan' ny kapila: 2πR.
  • Velaran' ny kapila: πR2.
Kapila

Jereo koa hanova