Ny kabala dia firehana mistika sy filôzôfika jiosy izay amin' ny ankapobeny tsy natao ho an' ny be sy ny maro fa miafina, sady fampianarana esôterika atao hanazavana ny fifandraisan' ilay Andriamanitra tsy miova sy mandrakizay — ilay אֵין סוֹף / Ein Sof "Tsy manam-petra") — sy ny tontolo mety maty sy voafetra (ny zavaboarin' Andriamanitra).

Kabalista jiosy naseho an-tsary tamin' ny taona 1641.

Io teny hoe kabala io dia avy amin' ny teny hebreo hoe קבלה / Qabbala izay midika hoe "lovantsofina" na "fandraisana". Ny kabalista izany dia olona nandray (avy amin' ny teny hebreo hoe קיבל / Qibel) ny lovantsofina. Tsy manondro tenim-pinoana (na dôgma) ny teny hoe kabala fa manondro firehana ao anatin' ny jodaisma sady toe-panahy.

Mistisisma jiosy amin' ny endriny rehetra ny kabala, ka ny teôzôfia miafina indrindra izay nandroso tao Espaina tamin' ny taonjato faha-13 ka ny Sefer ha-Zohar ("Bokin' ny famirapiratana"), izay hafohezina hoe Zohar, no niteraka ny hetsika mistika jiosy. Ny kabala dia heverin' ny mpanao azy ho fomban-drazana esôterikan' ny jodaisma izay aseho amin' ny fomba nentim-paharazana ho ny "Lalàna am-bava sy miafina" nomen' Andriamanitra IHVH an' i Mosesy tao amin' ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia) niaraka tamin' ny "Lalàna an-tsoraratra ho an' ny rehetra", dia ny Torah. Hita ao amin' ny firehana mistikan' ny jodaisman' ny sinagôga tamin' ny Andro Taloha izany.

Ny tanjon' ny mistisisma ara-pivavahana tamin' ny ankapobeny dia ny hidirana amin' ny "fisiana ambony" avy amin' ny fivoasana ny Baiboly amin' ny fampiasana ny fahalalana sy ny fahitana ary ny fahatsapana isankarazany. Mampiavaka ny mistika jiosy ny fitrandrahana ny hevitra sasany nandritra ny fotoana lava nivoarany. Voalohany, ny fisaintsainana ny amin' Andriamanitra velona, izay tsy azo fantarina, dia azon' ny olombelona takarina amin' ny alalan' ny anaran-toetra ananany.

Tanjon' ny fikarohana mistika ny fahalalana ny tontolon' Andriamanitra. Ny fanaovana fivoasana ny Torah sy ny fandinihana ny fiteny hebreo no ahatongavana amin' izany. Ny Torah dia fisehoan' ny fahendren' Andriamanitra izay manana hevitra tsy hain' ny fivoasana ataon' olombelona taperina. Ny fanoavana ny didy ambara ao no ahafahana mandray anjara amin' ny fanatanterahana ny firindrana manerana izao rehetra izao. Akora nampiasaina tamin' ny famoronana ny literan' ny abidy hebreo. Ny fahalalana ny fitsipika mifehy ny fanakambanana azy no ahafahana miditra any amin' ny tontolon' Andriamanitra.

I Georges Lahy dia mamaritra ny kabala ho "habe anatiny ao amin' ny Torah, mifanandrify amin' ny סוֹד / Sod ao amin' ny ambaratonga efatra ao amin' ny Torah (fantatra amin' ny anarana hoe pardès)", dia ny פשט / Peshat ny רֶמֶז / Remez, ny דְרָשׁ / Drash, ny סוֹד / Sod).

Araka ny filazan' ny mpanaraka azy, ny fahatakarana lalina sy ny fifehezana ny kabala dia mampanakaiky ara-panahy kokoa ny olona amin' Andriamanitra, izay ahafahan' ny olona mamantatra bebe kokoa ny asan' ny Famoronana nataon' Andriamanitra. Ho fanampin'ny faminaniana momba ny mesianisma, ny kabala dia azo faritana ho andiana tombantombana metafizika momba an' Andriamanitra sy ny olombelona ary izao rehetra izao, izay miorim-paka ao amin' ny fomban-drazana esôterikan' ny jodaisma.

Jereo koa hanova