Kônsily faharoa tao Kônstantinôpôly

Ny Kônsily faharoa tao Kônstantinôpôly na Kônsily faharoa tao Kônstantinôpla dia kônsily ekiomenika fahadimy natao teo amin' ny tantaran' ny Fivavahana kristiana. Nanamafisana ny fananan' i Kristy natiora roa ny Kônsily faharoa tao Kônstantinôpôly ka nambara fa sady olona no Andriamanitra i Kristy. Io no kônsily fahatelo. Nohelohina ny asa soratra manohana ny nestôrianisma. Ny emperora Jostiniano no nampanao azy ary ny patriarka Eotikiosy avy any Kônstantinôpôly no nitarika azy. Ny mba hanamafisan'ny Fiangonana ny fanamelohany ny soratry ny teolojiana telolahy, dia i Teôdôra avy any Môpsoesto sy i Teôdôreto avy any Kira ary i Ibasy avy any Edesa, tamin' ny taona 553. Tsy tratra ny tanjon'ny emperora Jostiniano izay nikendry ny hampîhavana ny Kristiana kalkedoniana sy ny Kristiana mônôfizita ao amin' ny tapany atsinanan' ny empira.

Jereo koa: hanova