Jôsefa (vadin' i Maria)

(tonga teto avy amin'ny Josefa (vadin'i Maria))

I Jôsefa dia lehilahy jiosy izay lazain' ny Filazantsara sinôptika fa taranak' i Abrahama sy ny mpanjaka Davida. Fofombadin' i Maria izay bevohoka noho ny asan' ny Fanahy Masina ary avy naka vady an' i Maria taloha kelin' ny nahaterahan' i Jesoa izy ka lasa ray mpitaiza an' i Jesoa izy fa tsy ray niteraka azy. Asehon' ny Filazantsara ho "lehilahy marina" izay nandray an' i Maria sy ny zanany izy rehefa nandre ny hafatry ny anjely Gabriela. Mpandrafitra i Jôsefa, araka ny Filazantsara. Voaresaka ao koa ny niakarany tany Jerosalema tamin' ny faha-12 taonan' i Jesoa tany amin' ny Tempoly ka izany no niresahana azy farany. Miresaka ny amin' i Jôsefa koa ny boky apôkrifa sasany.

I Jôsefa mitrotro an' i Kristy

Ny anarany hanova

Ao amin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy dia Jôsefa na Josefa no iantsoana azy. Nefa misy ny manoratra na manonona hoe Zozefa. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe יוֹסֵף / Iosef izy ary amin' ny teny grika kosa dia Ἰωσήφ / Ioséph. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Iosephus.

Jereo koa hanova