I Jolio I na Jolio avy any Roma dia evekan'i Roma nanomboka tamin'ny 6 Febroary 337, izay taraka tao Roma tamin'ny taona 280 ary maty tao tamin'ny taona 352. Izy no papa faha-35 ao amin'ny Fiangonana katolika.

I Jolio I

Ny fotoana naha eveka azy dia nanjakan'ny olana nateraky ny ariaisma izay nanadraisany anjara fanohanana an'i Atanasiosy avy any Aleksandria tamin'ny fiarovana ny vokatry ny konsily tao Nikea toy ny fanekem-pinoana nikeana, tamin'ny fanaovana sinoda tao Sardika tamin'ny taona 343 sy tamin'ny fitakian'ny solontena avy any Roma ny hananany fahefam-pitsarana ambony hitsara ny fampakatrana ny fifanolanana misy eo amin'ny fiangonana, amin'ny anaran'ny fahambioniana apostolika ananany.