Ny jodaisma karaita na karaisma dia firehan' ny jodaisma miorina amin' ny Miqra, izany hoe ny Baiboly hebreo sy ny fandavana ny Torah am-bava. Mifanohitra amin' ny jodaisma rabinika izany ny jodaisma karaita. Ny mpikambana ao dia atao hoe Jiosy karaita na Karaita fotsiny. Atao hoe קראות / qaraut ny jodaisma karaita ary בני המקרא / bnei haMiqra (midika hoe "zanaky ny Miqra") ny Karaita amin' ny teny hebreo.

Ny filazana tranainy indrindra momba ny Karaita dia efa tamin' ny taonjato faha-9 izay ilazana ny hetsika naorin' i Anan ben David tao Babilôna taonjato iray mialoha izany, na dia efa nisy hetsika karaita madinika nialoha azy. Namirapiratra ny karaisma tamin' ny taonjato faha-9 hatramin' ny taonjato faha-11 ka misy ny milaza fa ny 40 % n' ny vahoaka jiosy maneran-tany no nanaraka azy, na tany Eorôpa izany na tany amin' ny firenena arabo. Mihena hery miandalana izy nefa misy fikambanana maro mbola mijoro ny ao Kahira any Ejipta, ny any Krimea, ny any Litoania sy ny any amin' ny toeran-kafa.

Jereo koa hanova