I Jefta na Jiftà na Jefte dia mpitsara tao Israely araka ny Bokin' ny Mpitsara (Mpits. 10.7-12-7). Anisan' ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. Amin' ny teny hebreo dia tononina hoe יפתח / Yip̄tāḥ io anarana io. I Jaira no mpitsara nodimbasany ary i Ibzana no nandimby azy.

Fodian' i Jeftà, sary nataon' i Giovanni Antonio Pellegrini, taona 1700-1725.
Zanaka vavin' i Jeftà, sary nataon' i Alexandre Cabanel, taona 1879

Notendren' ireo mpitondra an' i Gileada i Jefta mba hitarika ny ady tamin' ny Amônita izay nandrahona azy ireo. Nandresy izy ka niteraka fialonana teo amin' ny fokon' i Efraima izany. Nanafika azy ny Efraimita nefa tsy nahomby ka nahatonga an' i Gileada ho afaka nizaka tena, ary angamba tsy niankina tamin' ny firenen' i Manase raha tsy taorian'ny fandresen' i Gideôna ny Midianita.

Jereo koa hanova