Jean de la Vierge de Castellar

Jean de la Vierge de Castellar dia frera Kristianina, martiry trinitera avy ao Espaina, teraka ny 16 mey 1898 ary maty 24 septambra 1936. I Juan de la Virgen del Castellar no fiantsoana azy amin'ny teny espaniola.

Frera trinitera Jean de la Vierge de Castellar.

Biografia hanova

I Jean François Joya y Corralero dia teraka tany Villarrubia de Santiago (Espaina) ny 16 mey 1898. Ny 16 desambra 1918 no nandraisany ny akanjon'ny Fikambanana Trinitera tao Bien Aparecida izay nanaovany ny Voady voalohany ny 5 oktobra 1920. Ny taona 1920 ka hatramin'ny 1922 dia nianatra ny filozofia tao Algorta sy nanononany ny voady voalohany amin'ny mahafrera azy 8 febroary 1920. Fotoana fohy taorian'izay dia nalefa tany Santiago any Silia izy ary tany no nanaovany voady farany ny 26 jolay 1923. Avy eo dia nalega tany Buenos Aires (Arjentina) izy, avy eo tany Roma tany San Carlino alle Quattro Fontane ny taona 1930 ka hatramin'ny 1932, taona nandefasana azy any Belmonte.

Nandravaka ny fiainany mandrakariva ny hafaliana namafisin'ny talenta nanananay tamin'ny fikarakarana voninkazo. Niroborobo tokoa ny fikambanan'ny Ankizy Association de la Sainte Trinitè tany Buenos Aires nokarakarainy ary na tany Belmonte aza dia nanorenany io fikambanana ho an'ny ankizy io, niaraka tamin'ny Fikambanana'i Jesoa Zazakely.

Martiry trinitera hanova

Martiry trinitera avy ao Espaina 1936-1937:

Jereo koa hanova