Jacques de Jésus dia mompera Kristianina, martiry trinitera avy ao Espaina, teraka ny 22 novambra 1903 ary maty 24 septambra 1936. I Santiago de Jesús no fiantsoana azy amin'ny teny espaniola.

Mompera trinitera Jacques de Jésus.

Biografia hanova

Teraka ary natao batemy tany Libano de Arrieta (Espaina) ny 22 novambra 1903. Ny 3 oktobra 1919 no nandraisany ny akanjon'ny Fikambanana trinitera tao Bien Aparecida izay nanaovany ny Voady voalohany ny 5 oktobra 1920. Ny taona 1920 ka hatramin'ny 1922 dia nianatra ny filozofia tao Villanueva del Arzobispo izy ary avy eo nanohy ny fianarana Teolojia tao amin'ny Oniversità Gregoriana tao Roma ny taona 1924 ka hatramin'ny 1928. Tany Roma no nanaovany voady farany ny 25 desambra 1924 sy nanamasinana azy ho pretra ny 3 jolay 1927.

Ny taona 1928 dia voatendry ho any Algorta izy ka nijanona tao mampianatra hatramin'ny nanendrena azy, ho any Belmonte ho mpampianatra filozofia (1930-1932) sy teolojia (1932-1936) no sady ho mpiandraikita ny skolastika (maitre). Nahafinaritra ny frera sy ny skolastika ny niara-niaina taminy ary na ny mponin'i Belmonte aza dia nahatsapa ny halemem-panahiny sy babon'ny fahaizany mihira (feo ténor).

Ny 28 jolay 1936, andro nanafihan'ny milisy an'i Belmonte, dia noteendren'i mompera ho mpiandraikitra ny skolastika i mompera Jacques de Jésus, izay nahavita nanafina ny mpianatra tany amin'ny tranon'olon-kafa manerana ny tanàna.

Martiry trinitera hanova

Martiry trinitera avy ao Espaina 1936-1937:

Jereo koa hanova