I Jacques Hugues Sylla (1946 - 26 Desambra 2009) dia mpanao politika malagasy. Praiministr'i Madagasikara izy tamin'i Marc Ravalomanana filoha tamin'ny Febroary 2002 hatramin'ny Janoary 2007. Filohan'ny antenimieram-pirenenana izy tamin'ny 2007 hatramin'ny 2009.

Teraka teo Nosy Boraha (na Nosy Sainte-Marie) ao amin'ny faritra Analanjirofo (Toamasina) izy tamin'ny 22 Jolay 1946. Zanak' Albert Sylla, minisitra ny raharaham-bahiny tamin'ny andron'i Philibert Tsiranana[1] until being killed in a plane crash in July 1967.[1], alohan'ny fahafatesany tanaty lozam-piaramanidina tamin'ny Jolay 1967. Ministry ny raharam-bahoaka izy tamin'ny 1993 hatramin'ny 1996, tamin' Albert Zafy filoha. Mpanohitran'i Didier Ratsiraka izy ary anisan'ny mpisolo vava nanolo saina an'i Marc Ravalomanana tamin'izy lany ben'ny tanànan' Antananarivo tamin'ny 1999. Anisan'ny mpamorona ny Komitiam-pirenenan'ny fandinihana ny latsa-bato[2].

Nanohana an'i Ravalomanana i Sylla tamin'ny krizy nanaraka ny fifidiana ny filoham-pirenena tamin'ny Desmabra 2001, ary niaro azy tao amin'ny Haute Cour Constitutionelle. Tamin'ny 26 Febroary 2002, teo anivon'ny krizy, lasa praiministra i Sylla, andro vitsivitsy teo aorian'ny nahafoloha azy. Tamin'ny Ravalomanana nianiana fahaindroany tamin'ny voalohan'ny Mey, Praiministra i Jaques Sylla.

Tany amin'ny faramparan'ny taona 2002, lasa mpitan-tsoratry ny antoko Tiako I Madagasikara(TIM) izy ; izay izy vao mpikambana antoko politika

Niala tamin'ny asa praiministra izy tamin'ny Janoary 2007, tamin'ny fifaranana ny fanomezan-dalan'i Ravalomanana voalohany, neken'i Ravalomanana ny fialany ary i Charles Rabemananjara no nanolo azy tamin'ny 20 Janoary 2007

Tamin'ny fifidianana ara-antenimiera, nanolo-tena ho kandidan'ny TIM izy tao amin'ny fizaranan'i Nosy Boraha, ary nahazo ny 51,04%-n'ny vato araka ny valiny vonjimaika. Raha nanomboka ny session'ny Antenimieram-pirenena, tonga dia lany filohan'ny Antenimieram-pirenena izy tamin'ny 23 Oktobra 2007; izy irery no kandida azy nahazo vato 123 amin'ny vato 124 an'ny depiote teo, misy vato fotsy[3].

I Jacques Sylla dia olona katôlika, ary olom-pirenena frantsay sy malagasy.

Jereo koa hanova

  1. 1,0 et 1,1 Jean-Dominique Geslin, "Jacques Sylla, diplomate par filiation." Archived Septambra 27, 2007 at the Wayback Machine, Jeuneafrique.com, August 12, 2002 (French).
  2. "Jacques Sylla, le Premier ministre de Marc Ravalomanana" Archived Aogositra 23, 2007 at the Wayback Machine, Afrique Express, N° 246, March 14, 2002 (French).
  3. vote blanc