I Iràna Lehibe na ny Tontolo Iraniana na Persia Lehibe na Persa Lehibe na Tontolo Persiana dia ny faritra izay itenenana fiteny iraniana sy ny faritra maro nikambana tao amin' i Persia (na Persa) na ny Empira Persiana. Misy ny mpanoratra mampiasa teny azo adika amin' ny hoe "Kôntinenta ara-Kolontsaina Iraniana" na "Kôntinenta ara-Kolontsaina Persiana" (na "Kôntinenta ara-Kolontsaina Persa"). Tsy nanana sisin-tany raikitra na oviana na oviana ny Tontolo Iraniana sady tsy nanana famaritana mazava tsara. Misy anefa ireo mamaritra azy ho ny fitambaran' ny tanin' ireto firenena ankehitriny ireto: i Afganistàna, i Azerbaijàna ary ny repoblika ao Azia Afovoany. Ny hafa indray mamaritra azy ho ny fitambaran' ny ampahany lehibe amin' i Kaokazy sy amin' i Afganistàna ary amin' i Azia Afovoany, ka mipaka hatrany Sina sy India ary amin' ireo firenena miteny semita izay niharan' ny kolontsaina iraniana koa izany.

Sarin-tany maneho an' i Iràna Lehibe

Atao hoe ایران بزرگ / Iran-e Bozorg na ایران‌زمین / Iran-zamîn (izay midika hoe "tanin' i Iràna") ny Tontolo Iraniana amin' ny teny persàna.

Jereo koa hanova