Indô-iraniana (vahoaka)

Ny Indô-iraniana, izay atao hoe Ariana koa, dia vahoaka indô-eorôpeana izay vondrom-poko miteny indô-iraniana, izay sampana lehibe ao amin'ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, ao amin'ireo faritra lehibe ao Eorazia. Isan'ireo vahoaka indô-iraniana lehibe ny Indô-ariana sy ireo vahoaka iraniana.

Ny fiteny indô-iraniana hanova

Ny fiteny indô-iraniana vondrom-piteny sampan'ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, izay ahitana ireo fiteny iraniana sy ireo fiteny indô-ariana ary ny fiteny noristany.

Fiteny iranika na iraniana hanova

Ireto ireo fiteny iranika na iraniana: ny fiteny avestika, ny fiteny persiana taloha, ny fiteny iraniana antenantenany, ny fiteny persana vaovao, ny fiteny pastô (ao Afghanistàna), ny fiteny korda, ny fiteny balotsy, ny fiteny skitiana, ny fiteny sarmatiana ary ny fiteny ôsetiana.

Fiteny indô-ariana hanova

Ireto ireo fiteny indô-ariana: ny fiteny sanskrita, ireo fiteny prakrita, ny fiteny hindy, ny fiteny ordò, ny fiteny bengaly, ny fiteny gojaraty, ireo fiteny indiana, ny fiteny nepaly, ny fiteny singaley, ireo fiteny darda (fiteny kasmiry, fiteny romany).

Fiteny noristany hanova

Ireto ny fiteny noristany: ny fiteny askona, ny fiteny kamviry, ny fiteny katy, ny fiteny prasona, ny fiteny tregamy ary ny fiteny oaigaly.

Jereo koa hanova