Ny imperialisma dia fomba fitondrana ara-pôlitika izay ahitana firenena lehibe mitady hanitatra ny fahefany any ivelan’ ny sisintaniny. Ny tanjon’ ny imperialisma dia ny manangana empira (fanjakàn-dehibe mampiray fanjakana maro sy vahoakam-pirenena maro amin' ny alalan' ny fahefana tokana). Manjaka amin' ny firenena hafa amin’ ny alalan’ ny tafiny ny firenena imperialista. Na dia izany aza dia mety tsy mampiasa herin-tafika ireo firenena ireo fa mametraka famehezana ara-pôlitika sy ara-toekarena eo amin’ ilay firenena.

Ny Empira Rômana tamin' ny taona 177: fafa-fiitarany tamin' ny nahafatesan' i Traiano.

Ny firenena manjakazaka araka ny imperialisma dia mitady hanangona ny loharanon-karena voajanahary (tanim-boly, sns), na hanangona ny mponina amin' ny alalan' ny fanandevozana azy ireo na amin' ny alalan' ny fanofanana azy amin' ny asa kely karama (sy/na kely andraikitra). Mety hantsoina hiady ho an' ny empira izy ireo. Mety ho azon' ilay firenena imperialista ihany koa ny tsena an-toerana ary mety ho voatery hividy na hivarotra amin' ilay governemanta imperialista na amin' ny indostrian' io governemanta io ny vahoaka. Mety haha mpanan-karena sy hitondra tombon-tsoa maharitra ho an' ilay firenena imperialista ny pôlitika imperialista.

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.