Ignatiôsy avy any Antiôkia

I Ignatiôsy avy any Antiôkia na Ignatiôsy Teôfôrôsy, izay teraka tamin' ny taona 35 tao amin' ny faritanin' i Siria ary maty martiry tany Rôma, angamba teo anelanelan' ny taona 107 na 113, dia eveka fahatelo tao Antiôkia (na Antiôka), taorian' i Petera sy i Evôdiôsy (avy any Antiôkia), izay nodimbiasany tamin' ny taona 68. Atao hoe Ἰγνάτιος Ἀντιοχείας / Ignatios Antiokheias izy amin' ny teny grika. Angamba mpianatr' i Petera sy Joany (na Jaona) izy, araka ireo taratasy apôstôlika nosoratany, izay anoharany ny maritirin' ny finoana amin' ny voambary voatoto tonga mofon' ny eokaristia. Ireo taratasy apôstôlilka nosoratany, izay namelatra teôlôjia voalohany momba ny eokaristia, dia nahatonga azy hovoaisa ao amin' ireo Ray Apôstôlika (na Aba Apôstôlika) sy taranaka faharoa amin' ireo Rain' ny Fiangonana (Aban' ny Eglizy). Ny asa soratra nataony no ahafantarana fa nosamborina noho ny maha Kristiana azy izy ka nentin' ny miaramila mpiambina nankany Rôma izay niandrasany ny hanipazana azy tao amin' ny bibidia (latina: damnatio ad bestias), nefa tsy fantatra ny fomba nahafaty azy.

Ignatiôsy avy any Antiôkia

Jereo koa hanova