I Idomea dia faritra tao atsimon'i Jodea (na Jodia) tamin'ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa, hatramin'ny tenantenan'ny taonjato faha-6 tal. J.K. ka hatramin'ny taonjato voalohany taor. J.K. Mivelatra avy any amin'ireo tendrombohitr'i Jodà mankany avaratr'i Negeva izy. I Idomea dia vokatry ny fihakelezana sy fikisahana mianavaratry ny tanin'ny Edoma taty aoriana ka ny mponina ao dia tsy natao hoe Edomita intsony fa Idomeana. I Heroda Lehibe, izay nanapaka an'i Jodea, dia mpanjaka idomeana.

I Idomea manodidinan ny taona 600 tal. J.K.

I Edoma hanova

Nantsoina hoe Edoma ny faritra izay nihakely taty aoriana ka niova anarana hoe Idomea. I Edoma firenena tao atsimon'ny Ranomasina Maty ao amin'ny tapany atsimon'i Israely sy Jordania ankehitriny. Toy ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy dia nipoitra tamin'ny Andron'ny Vy ny Fanjakan'i Edoma[1] ka naharitra hatramin'ny taonjato faha-8 sy faha-6 tal. J.K. Tamin’ny tapany farany amin’ny taonjato faha-7 tal. J.K. dia nanohitra an'i Babilona niaraka niaraka tamin'i Jodà sy i Moaba (Jer. 27.3) i Edoma nefa nivadika tamin’ireo fanjakana roa ireo izy ka naka ny faritr'i Negeva sy ny faritra atsimon'ny tendrombohitr'i Jodà (taona 597 tal. J.K.)[2]. Taorian'ny fahazoan’ny Babiloniana an'i Jerosalema dia tsy nahaleo tena intsony i Edoma fa nitambatra tao amin'ny fiombonam-poko arabo notarihin'ny mpanjakan'i Kedara[3].

Taty aoriana dia nahatafidirana tao amin’ny Fanjakana nabateana ny tanin'i Edoma alohan'ny haha lasa isan'ny faritanin'i Jodea azy faha Joany Hirkàno tamin'ny taona 109 tal. J.K. Fantatra tamin’ny anarana hoe Idomea[11] i Edoma tamin'izany.

Loharano hanova

  1. Lester L. Grabbe, Ancient Israel: What Do We Know and How Do We Know It?, Londres et , T&T Clark, 2007 (ISBN 978-0-567-03254-6), p. 96 et 97
  2. André Lemaire, « Edom and the Edomites », dans André Lemaire et Baruch Halpern (dir.), The Books of Kings: Sources, Composition, Historiography and Reception, Leyde et Boston, Brill, coll. « Supplements to Vetus Testamentum », 2010 (ISBN 978-9004177291), p. 238
  3. "Edom" in Encyclopædia Universalis 1996.