Ibn Arabî
Ankapobeny
Anarana Ibn Arabî
Teraka 28 Jolay 1165
Maty 10 Novambra 1240
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Ibn Arabî dia filôzôfa (faylasûf), pôeta, manam-pahaizana silamo (ulema), mpahay lalàna (faqīh), sofy, ary metafizisiana arabo-andaloa, teraka tamin' ny 26/28 Jolay 1165 tao Murcie ary maty tamin' ny 10 Nôvambra 1240 tao Damaskôsy. Nanao asasoratra misa 850 izy.

Ny anarany feno dia Muhyī al-dīn Abū ‘Abd Allāh Muhammad bin ‘Alī bin Muhammad bin Ahmad bin ‘Abd Allāh bin al-‘Arabī al-Tā’ī al-Hātimī al-Andalusī amin' ny teny arabo: محيي الدين أبو عبد الله محمد بن علي بن محمد بن أحمد بن عبد الله بن العربي الطائي الحاتمي الأندلسي),

Ny asasorany dia nibahana ny ara-panahy silamo nanomboka tamin' ny taonjato faha-13, ary azo heverina ho fototry ny fisainana metafizika ao amin' ny finoana silamo. Izy no mpandinika lehibe indrindra amin' ny fampianarana esôterika momba ny Wahdat al-wujud ("Maha Tokana ilay Misy"). Nanana fahavalo sasany tao amin' ny sehatra eksôterika izy. Ao amin' ny esôterisma silamo dia heverina ho "tombo-kasen' ny fahamasinana" izy. Araka ny filazan' ny mpanoratra sasany, dia nisy fiantraikany tamin' ny asan' i Dante Alighieri, ao amin' ny Divina Commedia, izy.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.