Hôsea (mpanjakan' i Israely)

(tonga teto avy amin'ny Hosea (mpanjakan'i Israely))

I Hôsea na Ôsea dia mpanjaka farany tao amin' ny Fanjakan' i Israely izay nanjaka teo anelanelan' ny taona 732 sy 722 tal. J.K. I Ela no rainy (tsy i Ela mpanjaka).

Ny anarany hanova

Avy amin' ny teny hebreo hoe הוֹשֵׁעַ / Hôsheaʻ ny anarana hoe Hôsea izay midika hoe "vonjeo". Mety fanafohezana ny hoe הוֹשֵׁעַיהו izay midika hoe "Mamonjy i Iahveh" (na "Mamonjy i Jehovah") na "Mamonje, ry Iahveh !" (na "Mamonje, ry Jehovah !"). Amin' ny teny grika dia atao hoe Ὠσηέ / Ôsêe ao amin' ny Septoajinta (Baiboly jiosy amin' ny teny grika). Ny Prôtestanta malagasy dia manoratra hoe Hosea fa ny Katôlika malagasy kosa Ôsea.

Ny tantarany hanova

Fakana fitondrana hanova

Tamin' ny taona 732 tal. J.K. dia nanao tetika hanesorana ilay mpaka fitondrana ankeriny atao hoe Peka (na Fasea) i Hôsea ka namono azy sady niakatra teo amin' ny seza fiandrianan' i Israely hisolo azy.

Fiarahana tamin' i Egipta hanova

Rehefa maty i Teglata-Falasara III tamin' ny taona 727 tal. J.K. dia niezaka nampitohy ny fifandraisany tamin' i Egipta mba hanafaka ny fireneny sy hisakana ny fandoavan-ketra tamin' ny Asiriana i Hôsea. Nampitandrina an' i Hôsea ny mpanjakan' i Asiria vaovao, dia i Salmanazara V (na Salmanesera) izay nanao fahirano an' i Samaria taty aoriana tamin' ny taona 724 tal J.K. nandritra ny telo taona[1].

Faharavan' ny Fanjakan' i Israely hanova

Nesorin' i Salmanazara tamin' ny maha mpanjaka azy i Hôsea tamin' ny taona 722 tal J.K. ka nogadrainy mandra-pahafatiny. Tsy nanana mpitondra ny vahoakan' i Israely ka lasa andevo sy natao sesitany tany Ninive. Olona miisa 27 290 no lazaina fa natao sesitany, araka ny voasoratra ao amin' ny Baiboly, ka nosoloana voanjo babiôniana sy arameana[1]. Izany fotoana izany no namarana ny fisian' ny Fanjakan' i Israely sy ny foko folon' i Israely tao avaratra izay atao hoe foko folo verin' i Israely[2].

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).

Loharano hanova

  1. 1,0 et 1,1 Françoise Briquel-Chatonnet, Les relations entre les cités de la côte phénicienne et les Royaumes d’Israël et de Juda, Peeters Publishers, 1992 (ISBN 9789068313796, [tahiry])
  2. Encyclopédie Larousse du XXe siècle, Paris, 1932