Homo Sapiens dia anarana siantifika ilazana ny karazan'olona misy ny olombelona ankehitriny. Tao Afrika no heverin'ny mpikaroka fa nipoiran'ny Homo Sapiens, 150 000 hatramin'ny 300 000 taona tany aloha. Avy ao izy izy no niely manaran-tany. Ny karandohan'olona hita tao Etiopia tamin'ny taona 2003 dia heverin'ny manampahaizana fa karandohan'ny Homo Sapiens, izay mety niaina 160 000 taona tany aloha. Ara-bakiteny dia midika hoe "olona marani-tsaina" ny teny latina notefena hoe Homo Sapiens. Teny ao amin'ny sokajin'ny anarana ny hoe homo ("olona") fa mpamari-toetra kosa ny hoe sapiens ("mahay", "hedry", "marani-tsaina").