Ny Hiran' i Mosesy na Fihirana nataon' i Mosesy na Hiran' i Môizy dia ilay tononkalo hita ao amin' ny Bokin' ny Deoterônômia (Deo. 32.1-43) ao amin' ny Baiboly izay nivoaka talohan' ny hahafetesan' i Mosesy (na Môizy) teo amin' ny tendrombohitra Nebo. Indraindray dia ny toko faha-32 iray manontolo no atao hoe Hiran' i Mosesy na dia ny ampahan' io toko io ihany aza no tena tondroina amin' izany, ny andininy faha-44 hatramin' ny faha-52 dia tsy isan' izany. Araka ny Baiboly dia i Mosesy no namorona an' io tononkira io.

Jereo koa hanova