Hindoisma eto Madagasikara

Ny hindoisma eto Madagasikara dia fivavahana avy any India ka ny mpanaraka azy dia saika ireo ataon' ny Malagasy hoe Karàna, izay raha ny tena marina dia Indiana, na dia tsy Hindoa avokoa ny Indiana monina eto Madagasikara.

Fidirany teto Madagasikara hanova

Ny tantaran' ny hindoisma eto Madagasikara dia nanomboka tamin' ny nahatongavan' ireo Indiana gojaraty voalohany avy any amin' ny faritr' i Saurashtra any India tamin' ny taona 1870 tany ho any, tamin' i Madagasikara mbola nozanahan' ny Frantsay. Amin' ireo mpiavy ireo dia ny Miozolmana no betsaka (dia Kôja[1] sy Ismailý na Ismaeliana[2] ary Daodý Bohra[3]) fa ny Hindoa kosa dia vitsy[4].

Amin' izao fotoana izao hanova

Ny International Religious Freedom Report 2006 dia nitatitra fa ahitana Hindoa vitsy eto Madagasikara[5]. Mpandraharaha monina eto Madagasikara efa hatramin' ny taranaka maro nifandimby ny ankamaroany. Miteny hindý na gojaraty ny ankamaroany, fa ny sasany kosa miteny amin' ny fiteny hafa avy any India. Amin' izao fotoana izao dia miteny amin' ny fiteny telo fara-fahavitsiny ireo taranaka taty aoriana, ka isan' ireo fiteny ireo ny fiteny frantsay sy anglisy sy gojaraty ary malagasy.

Jereo koa hanova

Rohy anatiny

Rohy ivelany

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Ny Khoja na Koja dia ilazana ireo mponina niova finoana ho Silamo ao India sy Pakistàna.
  2. Ny Ismaeliana na Ismailỳ dia ilazana sampana iray ao amin'ny Finoana silamo shiita.
  3. Sampan'ny Finoana silamo shiita ny Daodý Bohra.
  4. NRI (PDF) Tahiry tamin'ny 06/02/2012.
  5. "International Religious Freedom Report 2006" ao amin'ny U.S. Department of State