Ny hetra dia vola izay tsy maintsy aloan' ny olona amin' ny governemanta.

Tamin' ny Andro Taloha, ny olona avy amin' ny tanàna na faritra iray dia manafika ny olona avy amin' ny toerana hafa, ka manery azy ireo handoa hetra. Ny hetra dia midika fa mandoa vola (na zavatra hafa) ny olona resy, ary ny mpandresy dia tsy hanafika azy ireo intsony. Ny hetra malaza dia ny Danegeld, rehefa resin' ny olona avy any Danemarka ny ampahan' i Angletera dia nampandoaviny vola madinika volafotsy an' arivony ny Anglisy.

Amin' ny alalan' ny hetra no andoavan' ny governemanta ny karaman' ny mpiasan' ny firenena na fanjakana na ny tanàna. Io vola io dia andoavana ny karaman' ny olona izay miasa ho an' ny governemanta sy andoavana ny fandaniam-bola ataon' ny governemanta toy ny fanamboarana na fikojakajana ny lalana sy ny tetezana.

Karazan-ketra hanova

Maro ny karazana hetra. Ny hetra sasany dia mifototra amin' ny vola azon' ny olona iray. Arakaraka ny habetsahan' ny vola karaman' ny olona iray no vao mainka mahatonga azy hampandoavina vola betsaka. Izany no antsoina hoe hetra amin' ny fidiram-bola.

Jereo koa hanova