Hoalan' i Aqaba

(tonga teto avy amin'ny Helodranon'i Akaba)

Ny Hoalan' i Aqaba dia sampan' ny Ranomasina Mena miditra ao atsimo andrefan' i Azia, manasaraka ny Saikanosin' i Arabia amin' ny Saikanosin' i Sinay (na Sinaia). Mirefy 24 km ny sakany ary 160 km ny halavany. Mifandray amin' ny Ranomasina Mena amin' ny alalan' ny Andilan-dranomasin' i Tiran ny Hoalan' i Akaba. Ny Saikanosin' i Sinay no manasaraka azy amin' ny Hoalan' i Suez. Ao amin' ny tapany avaratra no misy ny seranan-tsambon' i Aqaba ao Jôrdania sy ny seranan-tsambon' i Eilat ao Israely.

Saritany mampiseho ny hoalan' i Akaba
Ny Saikanosin' i Sinay manasaraka ny Hoalan' i Suez sy ny Hoalan' i Aqaba.

Atao hoe خليج العقبة / Khalij al Aqaba izy amin' ny teny arabo fa מפרץ אילת / Mifratz Eilat ("Hoalan' i Eilat") kosa amin' ny teny hebreo.