Ny Hamita na Hamitika na Kamita na Kamitika dia mamondrona - mba hifameno amin' ny vahoaka semita - ny mponina avy ao Afrika Avaratra, ao amin' ny Tandrok' i Afrika, ao Arabia Saodita, ary tao Ejipta tamin' ny Andro Taloha, araka ny fandalinam-piteny sy ny etnôlôjia taloha. Novolavolain' ny Eorôpeana tany am-boalohany io hevitra io ho fanohanana ny fanjanahantany sy ny fanandevozana. Efa lany andro ity resaka ity satria tsy ara-tsiasa ny nanorenana azy. Ny vahoaka tsy semitika ao Afrika Avaratra (Berbera sy ny Kôpta) sy ny ao amin' ny Tandrok' i Afrika no hevrina ho Hamita.

Avy amin' ny anaran' i Hama na Kama zanak' i Nôa ao amin' ny Baiboly io teny hoe Hamita io. Atao hoe ⵉⵃⴰⵎⵉⵟⵏ, izany amin' ny teny amaziga fa ሃማውያን, amin' ny teny amharika ary حاميون kosa amin' ny teny arabo.

Tany am-boalohany io teny io dia nampifanoherina amin’ ny fizarana roa hafa noheverina fa misy ny taranak’ olombelona mifototra amin’ ny tantaran’ i Nôa: ny Semita sy sy ny Jafetita. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-19, ny manam-pahaizana amin' ny ankapobeny dia nanasokajy ny firazanana hamitika ho zana-bondrona ao amin' ny firazanana kaokaziana, miaraka amin' ny firazanana ariana sy ny firazanana semitika - izany no mampivondrona ny vahoaka tsy semitika teratany ao Afrika Avaratra sy ao amin' ny Tandrok' i Afrika, anisan' izany ny Egiptiana taloha.

Ny "petra-kevitra hamitika" dia niiaza fa ny firazanana hamita dia ambony noho ny vahoaka mainty hoditra (negrôida) ao Afrika atsimon' i Saharà. Izany rijan-kevitra izany dia nanambara, amin' ny filazaa faran' izay tafahoatra, araka ny soratr' i Charles Gabriel Seligman, fa saika ny zava-bita lehibe rehetra teo amin' ny tantaran' i Afrika dia asan' ny Hamita izay nitondra niaraka taminy ny hairahany ny sivilizasiônany.

Ny teny hoe hamitika dia nampiharina amin' ny sampam-piteny berbera sy kositika ary egiptiana tao amin' ny fianakaviam-piteny afrôaziatika, izay, miaraka amin' ny sampana semitika, dia nantsoina taloha hoe "hamitô-semitika". Na izany aza, satria tsy naseho ho mahaforona fianakaviam-piteny manokana misaraka amin' ny fiteny afrôaziatika hafa ireo sampana hamitika telo ireo, dia tsy mampiasa ilay teny amin' io heviny io intsony ny mpahay teny. Ny sampana tsirairay kosa dia raisina ho vondrona mahaleotena ao amin' ny fianakaviam-piteny afrôaziatika lehibe kokoa.

Noheverina fa mitombina sady mifamatotra ny môdely momba ny fiteny hamitika sy ny vahoaka hamitika, hatramin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-20. Nanomboka tamin' ny taompolo 1960 dia nesorina teo amin' ny sehatry ny siansa ny petra-kevitra hamitika sy ny rijan-kevitra hamitika, miaraka amin' ireo rijan-kevitra hafa momba ny "siansan' ny firazanana".

Jereo koa hanova