Ny halavirana dia ny halavana manelanelana teboka roa, izay refesina araka ny halavan'ny kantsana izay mampitohy ireo teboka roa ireo. Mety ho refesina amin'ny alalan'ny fotoana lany hikisahana avy amin'ny teboka iray mankamin'ny teboka faharoa, an-tongotra na amin'ny alalan'ny fiarakodia na fitaovam-pitaterana hafa.