I Hagay na Akjea dia mpaminany resahina ao amin’ ny Baiboly izay isan’ ireo nanetsiketsika ny fahatongavan-tsain’ ny Jiosy taorian’ ny Fahababoana mba hanamboatra indray ny Tempoly ao Jerosalema tamin’ ny taona 516 tal. J.K. Tsy dia misy zavatra firy fantatra ny amin’ ny tantaran’ i Hagay manokana. Tokony ho iray amin’ ireo nentin’ i Nebokadnetsara babo tany Babilôna izy.

Ny mpaminany Hagay, sary rosiana tamin'ny taonjato faha-18.

Nonomboka ny asany tokony ho enina taona taorian’ ny fiverenan’ ny Jiosy tao Jodà izy (520 tal. J.K.). Niverina avy tany Babilôna niaraka tamin’ i Zerôbabela sy naminany tao Jerosalema tokony ho tamin’ ny taona 521-520 tal. J.K. tamin’ ny nanjakan’ i Dariôsa I i Hagay. Nitovitovy fotoana nahavelomana tamin’ i Zakaria sy i Malakia. Satria ny fanamboarana indray ny Tempoly dia nijanona tanatin’ ny valo taona vokatry ny zavatra nataon’ ireo Samaritana. Niezaka izy sy i Zakaria namporisika ny vahoaka ka nanaitra azy ireo hifoha amin’ ny torimasony, sady nitarika azy ireo mba hanararaotra ny fiovan’ ny fitantanan’ ny Persiana tamin’ ny andron’ i Dariôsa I.

Nampahatsiahiviny fa ny Tempoly dia tsy hahamasina vahoaka manao asa tsy madio. Naminany izy fa horava ny fanjakana persiana aorian’ ny ady an-trano. I Hagay dia heverin’ ny maro fa nanoratra ny boky mitondra ny anarany, dia ny Bokin’ i Hagay.

Ny anarany hanova

Atao hoe חַגַּי / Ḥaggay , izay midika hoe "ny fialan-tsasatro", ny anaran' i Hagay amin' ny teny hebreo.

Jereo koa hanova

Mpaminany lehibe:

Mpaminany madinika