Hadriano
Ankapobeny
Anarana Hadriano
Teraka 24 Janoary 76
Maty 10 Jolay 138
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

Hadriano dia I Hadriano dia emperora romana faha-14 teraka tamin'ny 24 Janoary 76 ary maty tamin'ny 10 Jolay 138, nanjaka teo anelanelan’ny taona 117 sy 138, izay nametra ny fiitaran'ny fanjakana romana izay naverina teo amin’ny fetra nofaritan’i Aogosto. Atao hoe Imperator Cæsar Traianus Hadrianus Augustus izy amin'ny teny latina fa Ἁδριανός na Ἀδριανός kosa amin'ny teny grika.

Tantarany hanova

Fahazazany sy fiantombohan'ny fanjakany hanova

I Poblio Aelio Hadriano Afera (latina: Publius Aelius Hadrianus Afer) no rainy. Ny reniny dia i Paolina (latina: Domitia Paulina Major). Ny vadiny dia Vibia Sabina (latina: Vibia Sabina). Nanangan-jaza izy, dia i Lokio Aelio (latina: Lucius Aelius Verus) sy i Antonino Pio (latina: Antoninus Pius). Tamin'ny nahaterahany dia nantsoina amin'ny teny latina hoe Publius Ælius Hadrianus i Hadriano. Tamin'ny nahafatesan'ny rainy tamin'ny taona 85 dia natsangan'i Trajàno (latina: Marcus Ulpius Traianus) ho zanany izy. Tao Roma no nanabeazana azy, ka maro ny andraikitra ara-panjakana ivelan'ny tafika sy ara-tafika nosahaniny mandra-paha emperora an'i Trajàno tamin'ny taona 98. Tamin'ny nahafatesan'i Trajàno tamin'ny taona 117 dia nataon'ny tafika ny fanambaràna azy ho emperora.

Fanamafisana ny fanjakana hanova

Tamin'ny fotoana nanapahany dia nanambana ny Empira romana ny fikomian'ny vahoaka sy ny fananiham-bohitra avy any ivelany. Nahatsapa ny tokony hanamafisana ny empira izay lasa lehibe loatra i Hadriano ka nanapa-kevitra ny hamela ny faritany lavitra indrindra, ka namaritra ny sisin-tanin'ny empira teo amin'izay tratran'i Aogosto. Nanangana manda fiarovana izy, ka isan'izany ny mandan'ny Pikta izay atao hoe mandan'i Hadriano koa, izay fetran'ny fiitaran'ny tanin'ny empira romana.

Nanamafy ny fitondrany izy tao Roma tamin'ny alalan'ny fandraisana fepetra manome fahalalahana ny vahoaka, tamin'ny alalan'ny famangiana ireo faritany romana sady niezaka nandamina ny raharaha ara-politika sy ara-miaramila ary ara-toekarena izay nikendreny ny hahamatotra ny fankatoavana amin'i Roma.

Tamin'ny taona 134 sy 135 izy dia nankany Jodea ka nanafay ny fikomiana nataon'ny Jiosy notarihin'i Simona Bar Kokba izy.

Fiafaran'i Hadriano hanova

Tao Roma no nandanian'i Hadriano ny andro sisa niainany sy tao amin'ny lapany ao Tiboro (izay antsoina hoe Tivoli ankehitriny ao Italia). Maty tao Baia izy tamin'ny 10 Jolay 138 ary i Antonino zanany natsangany no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.

Ny lova navelan'i Hadriano hanova

Andriana lehibe mpandala ny kolontsaina helenista i Hadriano ka nohodidinim-poeta sy filozofa ary mpanorara maro. Nanoratra koa izy ka betsaka ny lahatsoratra tamin’ny teny latina sy tamin'ny teny grika nosoratany. Nampanamboatra an'i Ateneoma (latina: Athenaeum) tao Roma, izay karazana oniversite hampandrosoana ny fianarana literatiora sy siansa izy. Nampanamboariny koa ny tempoly iombon'ireo andriamanitra maro (panteona), izay nosimbana sady nampanamboarina indray (izay novana ho bazilika Santa Maria ad Martyres ankehitriny ao Roma). Nampanamboariny koa ny fasan'ny mahery fo (Maozolea) izay nanjary trano lehibe Mb. Ange taty aoriana.  Ao Tivoli, ilay tranon'i Hadriano, izay fitambaran-trano tsara tarehy voarafitra amin'ny mari-trano mihaingo, dia ahitana sarivongana nampanaoviny ny mpanao sary sokitra grika, nalaina tahaka tamin'ny sary sokitra sy vongana ao amin'ny zavakanto ateniana.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.