Gregôriôsy avy any Nisa

(tonga teto avy amin'ny Gregoriosy avy any Nisa)
Gregôriôsy avy any Nisa
Ankapobeny
Anarana Gregôriôsy avy any Nisa
Teraka taona 335
Maty taona 395
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Gregôriôsy avy any Nisa dia teôlôjiana sy mistika malaza, evekan' i Nisa tao Kapadôkia sady Rain' ny Fiangonana na Aban' ny Eglizy izay niady tamin' ny arianisma tamin' ny fampandrosoana ny teôlôjian' ny Trinite sy ny tenim-pinoanana momba ny Fahatongavan' i Kristy ho nofo. Teraka tao Neôkaisaria (Niksar ankehitriny ao Torkia) tao amin' ny faritanin' i Pônto-Eoksina (Ranomasina Mainty) tamin' ny taona 335 ary maty tamin' ny taona 395 izy.

Ny teôlôjiany hanova

I Gregôriôsy avy any Nisa dia iray amin' ny teôlôjiana kapadôkiana ngezalahy sady mpanorina ny lova teôlôjikan' ny fiangonana tatsinanana, niaraka amin' i Gregôriôsy avy any Nazianzôsy sy ny rahalahiny Basiliôsy avy any Kaisarea.

Nisy fiantraikany tamin' ny asasoratr' i Denisiôsy Aerôpagita, izay atao hoe Pseodô-Denisoôsy, sy tamin' ny teôlôjia mistika latina tamin' ny Andro Antenatenany manontolo ny fisainana teôlôjikany.

I Gregôriôsy avy any Nisa dia teôlôjianan' ny Trinite sy ny Fahatongavan' i Kristy ho nofo izay niharan' ny filôzôfia neôplatônisianan' i Plôtinôsy, ka namelatra antrôpôlôjia miorina amin' ny faniriana sy ny fihetsika tsy manam-petran' ny fanahin' olombelona mankany amin' Andriamanitra.

Amin' ny asasoratra teôlôjika nataony dia azo resahina ny Fanoherana an' i Eonomio, izay fiarovana ny Fiekem-pinona nikeana izay manohitra ny tsangan-kevitr' i Eonômio, izay maneho ny arianisma, ny Katedraly Lehibe, izay fiarovana ny finoana kristiana amin' ny Jiosy sy ny Jentilisa, ary ny Firindran-levitra folo, izay nosoratany hanoherana ny apôlinarisma izay nilaza fa tsy tena olombelona i Kristy. Nanoratra ny Fiderana ny maha virjiny koa izy tamin' ny taona 371, ho an' ny anabaviny Makrina, izay monka (na moanina) vavy.

Vao tsy ela akory izay no nahafantarana ny asasorany, indrindra noho ny fikarohan' ny pretra zezoita sady kardinaly no akademisiana frantsay Jean Daniélou, sy noho ny fanangonana ny lahatsoratry ny Rain' ny Fiangonana.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.