Gregôrio XIII

(tonga teto avy amin'ny Gregorio XIII)

I Gregôrio XIII na Gregoara XIII dia papa katôlika faha-226 nanomboka tamin' ny 13 Mey 1572. Ugo Boncompagni no tena anarany. Teraka tamin' ny 7 Janoary 1502 tao Bologne izy ary maty tamin' ny 10 Avrily 1585 tao Rôma izy. Amin' ny teny latina dia atao hoe Gregorius XIII izy. Nandimby ny papa Pio V (latina: Pius Quintus) izy ary nodimbasan' ny papa Siksto V (latina: Sixtus Quintus). Izy no nampanova ny tetiandro joliana ho tetiandro gregoriana izay mitondra ny anarany sady ampiasain' ny ankamaroan' ny olona sy ny firenena hatramin' izao fotoana izao.

Ny papa Gregorio XIII

Jereo koa hanova