Ny Gehena dia lohasaha tery sady lalina eo akaiky atsimo sy atsimo andrefan' i Jerosalema izay nanamboaran' i Sôlômôna (na Salômôna) toerana avo hivavahana amin' ny andriamanitra Kemôsy sy Môlôka, araka ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 11.7). Tao no nanaovan' ny Israelita sorona ny zazakely tamin' i Môlôka araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 23.10) ka noheverina ho toeran'ny fahavetavetana io toerana io. Taty aoriana dia lasa toerana fanariana ny loto rehetra ny ao Gehena sady nisy afo nirehitra tsy an-kijanona mba hisorohana ny aretina pesta. Izany no nahatonga ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao nampitovy ny "gehena" amin' ny "fiainan-tsy hita".

Fasana ao amin' ny Lohasahan' i Hinôma

Fiforonan-teny hanova

 
Lohasahan' i Hinôma

Avy amin' ny teny hebreo hoe גיא הנום / Gei Hinom ("Lohasahan' i Hinôma) na גיא בן הנום / Gei ben Hinom ("Lohasahan' ny zanak' i Hinôma") ny Gehena. Ny fandikana amin' ny teny grika ny Baiboly hebreo dia nanoratra hoe Γέεννα / Géenna ka avy amin' io no nanakaran' ny mpandika ny Baiboly amin' ny teny malagasy ny anarana hoe Gehena.

Jereo koa hanova