I Galia na Gaoly dia faritra tao Eorôpa Andrefana nonenan' ny vahoaka seltika sy ny vahoaka akitaniana, izay mahafaoka an' i Frantsa, i Loksemborga, i Belzika, ny ampahany lehibe amin' i Soisa, ny tapany avaratr' i Italia ary faritra maro amin' i Nederlandy sy amin' i Alemaina: ny lemaka andrefan' ny renirano Rhin. Mahatratra eo amin' ny 494 000 km2 eo ny velarany. Nihena anefa izany taty aoriana.

Sarintanin' i Galia talohan' ny Adin' ny Gaoloà araka ny filazan' i Gustav Droysen: ny Belza (volom-boasary), ny Akitaniana (mena), ny Gaoloà Seltika (maitso) ary ny Gaoloà Narbôney (mavo).

Jereo koa hanova