I Galatia dia faritra ara-tantara tany Anatôlia (manodinina an' i Ankara, any Torkia ankehitriny), izay nonenana vahoaka selta nifindra monina tao tamin' ny Andro Taloha, tokony ho tamin' ny taona 279 tal. J.K. Ny fanjakan' i Pônto sy i Paflagônia no mamaritra azy ao avaratra, i Kapadôkia no ao atsinanana, ny fanjakan' i Pergamôsy no ao atsimo ary i Bitinia no ao andrefana. Atao hoe Galatiana ny vahoaka noinina tao. Ny lovantsofina kristiana dia milaza fa nanoratra taratasy ho an' ny Kristiana tao Galatia i Paoly, dia ny Epistily ho an' ny Galatiana.

Faritany rômanan' i Galatia

Jereo koa hanova