Gôty (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Gôty)

Ny Gôty dia vahoaka jermanika izay nitana anjara toerana lehibe tamin' ny fianjeran' ny Empira Rômana Andrefana sy ny fipoiran' ny Eorôpa tamin' ny Andro Antenatenany. Atao hoe Gutþiuda izy ireo amin' ny fiteny gôty fa Gothi kosa amin' ny teny latina. Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-4, dia notafihin' ny Hona avy any atsinanana ny tanin' ny Gôty. Taorian' io fisehoan-javatra io dia nisy vondrom-poko gôty tonga teo ambany fitondran' ny Hona, fa ny hafa kosa nifindra monina niankandrefana kokoa na nitady fialofana tao anatin' ny Empira Rômana. Ny Gôty izay niditra tao amin' io empira io tamin' ny fiampitana an' i Danube dia nahatonga faharesena nahatsiravina teo amin' ny Rômana tamin' ny Ady tao Adrianôpôlisy tamin' ny taona 378.

Faritra nisy ny Gôty

Jereo koa hanova