I Frigia dia firenena tao Azia Minora tamin'ny Andro Taloha izay eo anelanelan'i Lidia sy i Kapadokia, ao amin'ny ilany andrefan'ny tany avon'i Anatolia. Atao hoe Φρυγία / Phrygía io tanana io amin'ny teny grika. Araka an'i Herodota dia nantsoina hoe Brigesy (grika: Βρύγοι / Brygoi na Βρίγες / Briges) ny Frigiana ary nifindrafindra tao Makedonia sy Albania, avy eo tany Trakia alohan'ny hifindrany mankany Helespontosy (na Dardanelia), taloha kelin'ny ady tao Troia, ary farany dia nanorim-ponenana tao amin'io tanàna io izy ireo.

Sarin-tanin'i Frigia ao Azia Minora: ny mavo maneho ny faritra fantatra indrindra, ny mena maneho ny fara-fiitaran'ny fanjakana frigiana.