Fotorisma (kristianisma)

Ny fotorisma dia fomba fijery eskatôlôjika kristiana izay ivoasana ny andalana sasany ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany sy ny Bokin' i Zakaria ary ny Bokin' i Daniela ho milaza zavatra hiseho any amin' ny fotoana hoavy amin' ny fanaovana heviteny ara-bakiteny azy ireo.

Ny fomba fijery eskatôlojika kristiana sasany anefa mandika ireo andalana ireo ho manondro ny lasa ao amin' ny zava-misy manodidina ara-tandindona (simbôly) sy ara-tantara (preterisma sy histôrisisma), na ho manondro ny zava-mitranga amin' ny fotoana ankehitriny nefa tsy mandray ny simbôly sy ny fitantarana ara-bakiteny fa ara-panahy (idealisma). Mandrakariva ny mpanaraka ny fotorisma dia manam-pifandraisana akaiky amin' ny premilenarisma sy ny dispensansiônalisma.

Jereo koa hanova

Fomba fiasa sy foto-pampianarana momba ny faminaniana